- Publicité -
lundi, septembre 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Zaza vao teraka hita faty teo ambany tetezan’Ikopa

Anosizato : Zaza vao teraka hita faty teo ambany tetezan’Ikopa

Zazalahikely vao teraka mihitsy no nisy nanary tao amin’ny ranon’Ikopa teo Anosizato omaly tokony tamin’ny ray ora tolakandro teo. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia ankizy  nilalao rano teo no nahita ity zaza ity ka nampiakatra azy teo amin’ny sisin-drano teo. Indrisy anefa fa efa maty ilay zaza vao teraka mbola miaraka amin’ny tadim-poitra sy ny ahitra. Nitangorona nijery izany ny be sy ny maro ka olona sendra nangoraka no nanala ny akanjo teny akodiny mba hanaromana ilay tsy manan-tsiny. Tokony tamin’ny dimy ora hariva teo no tonga teny an-toerana ny avy ao amin’ny BMH Isotry ary nanatitra ny razana eny amin’ny HJRA. Nijanona teo amin’ny sisin-drano teo foana arak’izany ny razana nandritra ny adiny efatra teo niandry ny tompon’andraikitra hidina ifotony. Niteraka fihetsem-po lalina ho an’izay rehetra nahita ity tranga ity na dia voalaza ho efa mateti-piseho aza.

Voarisoa Davidson

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici