- Publicité -
dimanche, novembre 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosy : 4x4 nandona olona, lasa nitsoaka

Anosy : 4×4 nandona olona, lasa nitsoaka

Ny alakamisy hariva lasa teo, tovovavy iray no nofaohina fiara tsy mataho-dalàna iray, teny Anosy. Naratra mafy tokoa ity vehivavy ity, raha ny fampitam-baovao azo, satria dia tapaka tanteraka ary nivoaka ny toerany nisy azy ny taolam-peny. Tetsy an-danin’izay kosa dia tsy nijanona ilay fiara nandona, raha ny filazan’ireo nanatri-maso fa mbola nirifatra nanohy ny diany. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy fahefany alina teo no niseho ity loza ity. Miasa ao amina toeram-pisakafoanana iray eny Isoraka eny ity tovovavy ity, ary an-dalana handeha hody izy tamin’io fotoana io no tojo izao loza izao. Nandeha mafy dia mafy tokoa ity fiara tsy mataho-dalana ity. Tsy fantatra araka izany na mamo ny mpamilin’ity fiara ity na ahoana, fa avy hatrany dia nitsiany tsotr’izao ity vehivavy ity. Noho ity farany nandeha mafy dia tsy voarain’ireo nanatri-maso ny laharan’ny fiara. Fantatra fotsiny fa miloko fotsy izy io, ary vaky tanteraka ny jirony sy ny « parechoc »-ny noho ny hamafin’ny fifandonana. Efa nisy ny fitarainana nataon’ireo fianakaviana tany amin’ny pôlisy mahasika ity zava-niseho ity. Ary efa eo am-pitadiavana ity mpamily nahavanon-doza ity ireo mpitandro filaminana. Manainga ireo izay mety manana vaovao mahakasika io fiara nitsoaka io ihany koa mba hampilaza avy hatrany ireto farany.  Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hôpitaly moa ity tovovavy ity amin’izao fotoana izao, raha ny fantatra hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici