- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy – Ankorondrano : Vehivavy miboridana namakivaky ny tanana

Anosy – Ankorondrano : Vehivavy miboridana namakivaky ny tanana

Tsy dia mbola antitra loatra ary tsy tanora intsony koa ilay olona. Variana ny rehetra nahita azy

Omaly maraina no nahitan’ny olona an’ity vehivavy iray, tsy misy akanjo na dia takon-kenatra aza, nandeha teny amin’ny lalana Ankorondrano. Miboridana tanteraka. Dia samy gaga ny rehetra nijery azy. Tamin’iny fizarana ny lalana iny izy no nandeha. Tsy nanahirana azy ny nitsambikina tambonin’ireo fitoerana voninkazo, izay somary avo ihany. Tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany tamin’izay. Nizotra nianavatra ny diany. Nitazana fotsiny na ny mpandeha an-tongotra, na ireo mpitondra fiara. Rehefa tonga teny Ivandry, teo ampitan’ny fiantsonanan’ny taxi-be, efa mba nitafy kely izy. Tsy hay na nisy nanome azy karazana gony efa maloto na ahoana fa iny aloha no nanakonana ny fitanjahany. Nipetraka izy ary voalaza fa fantatra hatrany fa tsy miankanjo mihitsy. Nidoladola ny vatany tamin’izay fotoana izay. Samy niteny ny rehetra fa adala io olona io. Tsy nijanona hatreo anefa ny fahitana azy. Tsy fantatra fa tamin’ny folakandro, teny Anosy tsy lavitra ny zaridaina indray no nahitana azy. Misy paompy mandeha manamorona ny arabe ary dia nisasa teo ilay ramatoa. Tsy nisy fisalasalana na kely aza. Nitohana ny lalana ary dia samy nahita izany fihetsiny izany avokoa ny rehetra. Tsy nisy na henatra kely akory aza izy nanao izany fisasana izany. Ny mpitazana indray no nanatodika ny masony. Nisy mpitondra moto saika nidofitra taminy teo amin’ny sisin-dalana. Tsy vao izao no nahitana olona niboriodana teny Anosy, volana vitsy lasa izay, nisy lehilahy tsy niankanjo koa namakivaky ny arabe. Tsy nisy na dia silipo aza teny aminy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser