Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’iny lalam-pirenena fahatelo iny omaly. Fiara tsy mataho-dalàna iray no nifandona tamina kamiô nitondra biriky. Tsy nisy aloha ny aina nafoy, na ny naratra raha ny vaovao voaray, saingy samy potika avokoa ireto fiara roa ireto. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia handeha hiakatra ilay kamiô, raha nizotra nianavaratra kosa ilay fiara 4×4. Nisy fiara nijanona tampoka teo anoloan’ilay kamiô, ka saika hiala an’izay izy no nifanehatra tampoka tamin’ilay 4×4. Tsy tana intsony ny fifandonana. Nifatratra teny amin’ny andrin-tany teny amin’ny sisin’arabe mihitsy aza moa ilay kamiô feno biriky. Nandray an-tanana avy hatrany, rehefa tonga teny an-toerana ireo zandary avy Sabotsy Namehana.
Fa mbola lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena ihany, olona iray indray no namoy ny ainy tany Miandrivazo, ny alahady lasa teo. Kamiô lehibe iray no nivarina tany an-kady. Araka ny vaovao voaray hatrany dia iray andro maninjitra no nisokirana ilay mpamily avy ao anaty fiara.
m.L