- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy Avaratra – Ambohimanga Rova : Tokan-trano maromaro nasesin’ny jiolahy notafihana

Anosy Avaratra – Ambohimanga Rova : Tokan-trano maromaro nasesin’ny jiolahy notafihana

Tsy niandry ela fa nahitam-bokany avy hatrany, herinandro taty aoriana, ny fanadihadiana nataon’ny zandary, mahakasika fanafihana misesisesy nitranga tao Avaratr’Antananarivo. Fito tamin’ireo mpanafika no voasambotra, mbola misy enina kosa no karohina fatratra.

Raha tsiahivina ny zava-nisy dia tokantrano maromaro, tao amin’ny kaominina Anosy Avaratra sy Ambohimanga Rova no nataon’ny jiolahy lasibatra ny faran’ny herinandron’ny faran’ny volana lasa teo. Andian-jiolahy nahatratra teo amin’ny 13 lahy teo, voalaza fa nirongo basy sy fitaovam-piadiana samihafa no nanafika ireto tokantrano ireto, izay tao amin’ny fokotany Mahatsinjo, Isahafa ary  Ambohidahy. Fitaovana elektronika sarobidy samihafa no lasan’izy ireo tamin’izany, niaraka tamin’ny firavaka volamena marobe. Raha ny fampitam-baovao azo dia tsy nampiasa ny basy teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy saingy kosa nirarakompana ny torabato mandrivorivo nataon’izy ireo, nentina nampitahorana ireo mponina. Tetsy an-danin’izany ihany koa dia nisy tamin’ireo fokonolona tamina fokontany sasantsany no namaly azy ireo tamin’ny tora-bato. Vokatr’izay, naharatràna olona fito tamin’ireo fokonolona, ary iray kosa tamin’ireo olon-dratsy. Taorian’ny fanafihana, dia nanao savahao sy ny fikarohana ireo mpanafika avy hatrany ny zandary. Nisy vokany izany satria nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no voasambotra. Ity farany indray avy eo no nanoro ireo mpiray tendro taminy. Nahatratra fito hatreto no voatanan’ny zandary ho isan’ireo tompon’antoka tamin’io fanafihana nisesisesy io. Hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela moa ireto olon-dratsy ireto, araka ny fampahafantarana nataon’ny zandary hatrany. Mitohy kosa ny fikarohana ireo namany, izay mbola miriaria eny anivon’ny fiarahamonina eny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici