- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy avaratra : Fanafihana fivarontam-panafody, mpitandro ny filaminana voasambotra

Anosy avaratra : Fanafihana fivarontam-panafody, mpitandro ny filaminana voasambotra

Mpitandro ny filaminana ny iray tamin’ireo jiolahy nanafika toeram-pivarotana fanafody tetsy Anosiavaratra ny Sabotsy antoandro teo. Fantatra izany nandritra ny tatitra nataon’ireo mpanao famontorana ao amin’ny sampana misahana ny heloka bevava eo anivon’ny Polisim-pirenena etsy anosy tamin’ny mpanao gazety momba iny raharaha iny. Voasambotra avokoa ankehitriny ireo olona enina nanatanteraka io fanafihana io ka vehivavy ny iray. Sarona ihany koa ireo fitaovam-piadiana nampiasain’izy ireo izany nahitana basy poleta 03 sy bala maromaro. Mitondra ny marika « Beretta » ireo basy ireo ka ny iray dia voamarina fa an’ilay mpitandro filaminana voarohirohy ihany. Araka ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny kaomisaria ny Filaminam-bahoaka Antananarivo-Avaradrano dia nandray anjara betsaka tamin’ny naharavana ity andian-jiolahy ity ny fokonolona teny an-toerana. Ireto farany izay tsy nisalasala nanome vaovao ny polisy raha vao nahitany fitrangan’ny fanafihana. Raha vao nandre izany ny polisy dia nametraka ny sakana rehetra tamin’ny lalana tokony hizoran’ireo mpanao ratsy, izay voalaza fa nitondra fiara Peugeot 405. Rehefa tonga teo amin’ny sakana nataon’ny polisy anefa ilay fiara dia niala ny efa-dahy tamin’ireo olona enina tao anatiny ka nandray taxibe. Tratra ihany anefa izy ireo rehefa narahan’ny polisy ilay taxibe. Nandritra ny famontorana natao azy ireo no nahalalana fa tena andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana nampihorohoro teto an-dRenivohitra sy ny manodidina tokoa ity rava ity ary ilay vehivavy izay tratra niaraka tamin’izy ireo no voalaza fa tena ati-doha. Fanafihana maromaro efa nandraisan’izy ireo anjara ka tsy maintsy hanolorana azy ireo ny Fitsarana tsy ho ela satria mbola ao anatin’ny famotorana tanteraka ny polisy amin’izao fotoana izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici