- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy Avaratra : Jiolahy nanafika « quincaillerie », voatifitra ny iray

Anosy Avaratra : Jiolahy nanafika « quincaillerie », voatifitra ny iray

Nirefodrefotra indray ny basy teny amin’ny faritra Anosy Avaratra ny alahady alina lasa teo. Jiolahy roa nirongo basy no nanafika trano fivarotana kojakoja fanaovana trano teny an-toerana. Nalaky tonga aloha anefa ny mpitandro filaminana ary dia noraisim-potsina teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo jiolahy, ka ny iray voatifitra. Tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina teo ho eo, nanakoako eran’ny tanàna ny feom-basy. Quincaillerie iray teny Anosy Avaratra no saika lasibatry ny roalahy mitondra basy. Tsy nisy sahy nivoaka araka izany ny olona teo amin’ny faritra manodidina ka nanararaotra nanao ny asa ratsiny izy ireo. Nopitsohan’ireo jiolahy ny varavarana ary nanao amboletra niditra sy nandrahoana ny tompon-trano. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola roa alina sy iray hetsy ariary niaraka tamin’ny entana vitsivitsy tao amin’ity mpivarotra ity. Teo an-dalam-pitsoahana iny mihitsy anefa ireto olon-dratsy ireto no sendra ny mpitandro filaminana, izay efa tonga teny an-toerana. Saika hitsoaka tamin’izany ny iray saingy lavon’ny mpitandro filaminana. Bala iray teo amin’ny tongony no nahalavo azy. Ilay iray kosa noraisim-potsiny, raha mbola tavela tao anatin’ilay trano. Araka ny fanazavana azo dia efa faninefany nisy nanafika ity trano fivarotana ity fa izao vao tratra ny olon-dratsy nanao izany. Efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao fotoana izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser