Trano tafo bozaka iray no nirehitra. Lehilahy iray namoy ny ainy. Ireo vokatry ny fianjeran’ny tariby mitondra herinaratra mahery vaika iray teny amin’iny kaominina Anosy Avaratra iny, ny harivan’ny alatsinainy lasa teo.
Tokony ho tamin’ny valo ora alina latsaka tany ho any no nitranga ny loza teny Faravohitra, Anosy Avaratra, araka ny fampitam-baovao azo avy eo anivon’ny Sampana mpamonjy. Raha ny fanazavana azo, dia nianjera tampoka avy eny ambonin’ny andry nitondra azy ity tariby lehibe ity. Tamin’ny fianjeran’ity tariby lehibe ity, dia nisy tselatr’afo niaraka taminy. Niantefa teny amina trano misy rihana iray teny an-toerana izany ary nahazo ny tafony, izay vita tamin’ny bozaka. Nidedaka avy hatrany ity farany ary vetivety dia nandevona ny efitra roa ambony sy ambany, niaraka tamin’ny entana sy ny zavatra rehetra tao anatiny. Marihana fa vetivety tokoa ny fihitaran’ny afo tamin’izany satria dia efa nolalovan’ny afo ihany koa ny trano teo akaiky, saingy nalaky voavonjin’ireo mpamonjy voina avy aty an-dRenivohitra. Samy nikoropaka nivoaka, namonjy ny ainy sy izay entana zakan’ny tànany avokoa moa ireo tompon-trano tamin’io fotoana io. Tao anatin’izany korontana rehetra izany dia nisy lehilahy iray, 22 taona, teo am-pitaomana ny entana no nahahitsaka indray ilay tariby mpitondra loza. Maty, may ny herinaratra teo moa ity ranamana ity, raha ny vaovao hatrany. Tany ho any amin’ny sivy ora alina tany ho any moa vao maty tanteraka ny afo, raha ny loharanom-baovao hatrany. Nisy ihany koa ny fepetra noraisina niarovana ireo fokonolona teny an-toerana nanoloana ny fianjeran’ity taribin-jiro nitera-doza ity. Efa tonga teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, nijery akaiky ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana.
m.L