Nisavoritaka tanteraka ireo mpiantsena sy mpivarotra tao amin’ny tsenan’i Soamanatombo, Anosy, ny sabotsy maraina lasa teo. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia efa-dahy, tsy nisaron-tava ary nandrangaranga basy mahery vaika no nanao tsy omby aloha niditra teo amin’ny fidirana teo Andrefan’Ambohijanahary ary nivoaka avy aty amin’ireo tsenan’ny vary amin’anana, mahazo ny lalam-pirenena voalohany iny. Tsy fantatra hatreo na manenjika olona na saika hanafika tao amin’io tsena io, raha ny filazan’izy ireo. Ny fanazavàna azo avy eo anivon’ny mpitandro filaminana misahana iny faritra iny no nahafantarana fa pôlisy izy ireo. Mpitandro filaminana tsy manao fanamaniana saingy mitondra fitaovam-piadiana kosa. « Misy ny hetsika manokana ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena amin’izao, ao anatin’ilay hetsika « opération de charme » ataon’ny eny anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany tsirairay avy, entina hanadiovana ny tanana amin’ity resaka tsy fandriam-pahalemana ity. Misy tokoa ireo pôlisy izay misafo andro aman’alina amin’ireo toerana somary be olona, indrindra fa amin’iny faritra misy ny tsena. Mazava ho azy fa misy ireo manao fanamiana ary misy ireo tsy manao toy ny olon-drehetra mitily fotsiny ireo mpanao ratsy. Efa nahitàna vokatra izy io satria misy mpanendaka rain-dahiny roa, izay isan’ny mpampikaika ireo mpiantsena voasambotra teny an-toerana ary efa nidoboka any am-ponja » hoy ny fanazavàna azo. Amin’ny rehetra tokoa, indrindra fa amin’izao firongatry ny tsy fandriampahelamana izao, dia rehefa andian’olona tsy manao fanamiana ka mirongo basy dia sokajian’izy ireo ho jiolahy foana. Hany ka ny mitsoaka sy mamonjy ny ainy voalohany no ataon’izy ireo.
m.L