- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Fatin-dehilahy nihantona, teo amoron’ny farihy

Anosy : Fatin-dehilahy nihantona, teo amoron’ny farihy

Hataraina ny an’ireo mpandalo maraina teny amin’iny moron’Anosy iny, ny sabotsy lasa teo. Fatin-dehilahy, tokony ho 30 taona any ho any no hita nihantona tamin’ny iray tamin’ireo hazo, manamorona ny farihin’ny ranon’Anosy iny, am-pitan’ny “Tranon’ny “anciens combattants”. Efa vatana nikirozaroza, tsy nisy aina intsony ho hitan’ny olona io maraina io. Araka ny filazan’ireo olona teny an-toerana dia toa tsy mponina eny amin’ny manodidina ity rangahy hita faty ity. Mbola teny aminy tsara ihany koa ny akanjony. Irony tady vavarana irony kosa no namatotra ny tendany, izay nihantonany teo amin’ilay hazo. Tsy nahitana n’inona n’inona teny aminy, raha ny voalazan’ireo olona teny an-toerana hatrany. Tsy fantatra mazava araka izany izay mety ho nanjo azy. Novonoina ve dia niniana natao teo amin’ilay hazo ny vatana mangatsiakany avy  teo ? Sa famoizam-po amin’izao fiainana izao no nahatonga azy hamarana ny androm-piainany ? Angamba ny fanadihadiana  hataon’ireo mpitandro ny  filaminana no afaka hamaly izany. Nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitra, ary tonga haingana teny an-toerana, nijery ny zavamisy, sy nampidina ny razana teo ambonin’ilay hazo, ary nitondra izany tany amin’ny tranom-paty.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser