Nisahotaka ny olona teny amin’ny Fitsarana teny Anosy omaly. Gadra iray, lehilahy, no tafatsoaka teo imason’ny mpiandry fonja raha mbola teo am-piandrasana ny fotoam-pitsarana, tokony ho tamin’ny 8 ora maraina tany ho any. Raha ny hita teny an-toerana, dia nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny fitsarana teo ny fiara mpitondra gadra nitondra ireto gadra miisa 10 avy any Tsiafahy. Tonga aloha izy ireo ka tsy mbola nanomboka akory ny fotoam-pitsarana azy ireo. Teo am-piandrasana an’izay ary, raha mbola somary varimbariana ny mpiandry fonja, nitondra azy ireo no nanararaotra, nanita-tsaina nitsaoka ny lehilahy iray tamin’ireo gadra 10. Mbola nifatotra “menotte” anefa ny tanany tamin’izany. Tsy afaka nankaiza akory ranamana fa teo amin’ny vavahadin’ny tribonaly dia efa tratra ihany. Nandeha ny fotoam-pitsarana, notanterahina tao amin’ny efitrano faha-5. Nisy fepetra manokana mihitsy noraisana tamin’ireto folo lahy hotsaraina ireto, satria dia nakatona sy nambenana mpiandry fonja maromaro ny efitrano. Araka ny fantatra dia olona voarohirohy tamin’ny fitifirana, nahafaty sinoa vavy, tetsy Volotara Andoharanofotsy. Raha tsiahivina kely, ny volana martsa 2013, nirefodrefotra ny basy teny an-toerana ary nijininika ny rà. Sinoa vavy, tompona fivarota-mofo, no maty tsy tsa-drano rehefa niantefa teny aminy ny bala dimy, raha iny handeha hamonjy fodiana irery iny izy. Saron’ny mpitandro filaminana ireo nahavanon-doza ny volana aprily 2013.
Mike L.