Fiara Mazda no lasibatr’ireto jiolahy ireto ary nisy olona nametraka fitoriana tetsy amin’ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika fahatelo Anosy, ny 12 may maraina teo. Voalaza tamin’izany fa nisy nangalatra ny fiarany mini-bus Mazda teny Tsiadana. Ny marainan’ io andro io tany ho any amin’ny 4 ora sy sasany tany no nisy nangalatra ity fiara Mazda ity. Taxi-brousse ity fiara izay mampitohy an’ Antsohihy sy Antananarivo.
Nitohy hatrany ny fikarohana ka nandritra izany no nahazo antso ny polisy fa eny amin’ny faritra Ampasika ilay fiara very . Marihana fa ny antoandron’io alatsinainy io ihany ny zavaniseho rehetra.Tonga teny an-toerana ary ireto polisy, ka tonga dia nanatona ity fiara, lehilahy roa no tao anatin’ilay Mazda; izay teo am-panaovana solika,raha vao nahita izany ilay saofera dia nandositra avy hatrany. Nanenjika ny polisy, saingy tafiditra elanelan-trano ilay jiolahy ka tsy hita nanjavonana.Ilay mpanampy kosa tsy afa-nitsoaka fa tavela tao anaty fiara ka nilaza ny anaran’ilay namany antsoina hoe Antoine na Tonny.
Ity farany no voalaza fa tompon’antoka tamin’ity halatra ity izay karohina amin’izao fotoana izao,ity nanampy azy kosa no Heriniaina Osvaldo 32 taona.Tamin’ny fanadihadiana an’i H Osvaldo no nitantarany fa teny Analakely no nifankahitan’izy roalahy ka handeha hitatitra olona hankany Morondava ka nankeny amin’ny fasan’ny karana izy ireo ary lasa naka solika teny Ampasika no izao tratra izao.Efa naverina amin’ny tompony ity fiara ity . I Osvaldo kosa dia efa natolotra ny fitsarana.
ALEM