Manamboninahitra miaramila no hahafantaran’ny olona azy. Ny antony dia satria isan’andro izy no manao fanamiana mifandraika amin’izany ary milaza etsy sy eroa fa komandà eo anivon’ny tafika an-tanety. Manana basy, milanja galona, manana fanamiana mitovy amin’ny an’ny miaramila. Kinanjo ao ambadik’izany, entina manindry olona etsy sy eroa izany mba hisolokiana sy hangalàna vola. Isan’ny fomba fiadiny ihany koa, raha araka ny fanadihadiana anataon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava, ny filazany fa fantany avokoa ny misy ny jiolahy eto an-drenovohitra. Nifandraika tamin’izay ary no nanomboka nahataitra ny mpanao famotorona izay naheno ny momba ity manamboninahitra ity ka nanokatra fanadihadiana. Rehefa tena nohalalinina tokoa ny momba azy dia tsy tao anaty lisitry ny miaramila mihitsy. Natao ny fisavana ny tranony ary tratra tao avokoa ireo fitaovana fisolokiany amin’ny fiainana andavan’andro. Niaiky ny helony ilay rangahy izay nanamarina fa tena tsy miaramila mihitsy. Marobe ny fiampangana azy momba ity raharaha ity saingy ny nalefa voalohany aloha dia ny fisandohana andraikitra, ny fampiasana hosoka ary koa ny fitazomana basy tsy ara-dalàna. Mbola hiampy izany raha toa ka manatona ny olona efa nisolokiany sy nangalany vola tetsy sy teroa. Voaporofon’ny BC ihany koa mantsy fa ahiana ho miray tendro amin’ny fikambanan-jiolahy sasany eto an-drenivohitra ity “komandà” ity. Be loatra ny endrika hisehoan’ny asan-jiolahy eto Antananarivo ary raha tena hanohitra an’izany dia mila manaraka akaiky ny fivoaran’izany ny mpanao fikarohana eo anivon’ny mpanao fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana. Toa efa samy mifankahay ny paika rehetra mantsy na ny andaniny na ny ankilay ka izay malaina mikaroka fomba vaovao no ho taraiky voalohany.
D.R