- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Lasa faritra mena noho ny fanendahana

Anosy : Lasa faritra mena noho ny fanendahana

Tsy lavitra eo no misy ny biraon’ny andrimpanjakana, mbola eo amin’ny manodidina koa no misy ny birao foiben’ny mpitandro ny filaminana roa tonta, nefa dia lasa toerana tena ifanesen’ny fanendahana eo an-toerana. Vao nanomboka maizina ny andro ny alatsinainy teo dia efa raikitra ny asaratsy. Mpianaka handeha hamangy faty ary nandalo teo Anosy, mifanila amin’ny antenimiera, no niharan’ny daroka sy sinto-mahery. Samy naratra ireo olona roa ary ny entan-kely teny amin’izy ireo dia lasa avokoa. Isan’izany ny vola tao anaty fampirimana azy sy ny finday ary ny akanjo. Tsy latsaky ny enina no nitangorona teo amin’izy mianaka ary samy nidaroka avokoa. Tsy afa-nanoatra fa dia niaritra teo fotsiny, satria sendra ny be noho ny vitsy no koa sao hanaraka hatramin’ny aina raha mbola nanohitra. Izany no niainan’ny mpianaka izay handeha hanefa adidy farany amin’ny olom-pantatra namoy aina. Manome endrika ratsy amin’ny sehatry ny tsy fandriam-pahalemana ny toy izany satria Anosy izany dia azo lazaina ho eo ampovoan’Antananarivo izay renivohitry ny nosy. Manginy fotsiny ny fisian’ny biraom-panjakana manana ny maha-izy azy eo an-toerana. Kanefa dia lasa toeram-pilalaovan’ny jiolahy sy ny tontakely. Ny olona dia efa mijery fotsiny sisa rehefa misy ny fanendahana toy izany. Toa efa lasa isan’ny andavanandrom-piainan’izy ireo aza ny fahitàna ny sinto-mahery isan-karazany. Ireo mpivarotra efa mahafantatra ny endriky ny olon-dratsy saingy tsy afa-manoatra noho ny tahotra ny ainy, dia mba misy mandefa feo moramora mampitandrina ny mpandalo ihany. Tsy ny olon-drehetra anefa no ho vitan’izy ireo ampitandremina toa izany. Ny vahaolana hita fa mahomby hatrizay dia ny fampitomboana ny fisafoana sy ny fandefasana mpitandro ny filaminana manao fanamiana sivily eny amin’ny faritra mena.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici