- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosy : Lasa vedety ilay polisivavy nanavotra bevohoka

Anosy : Lasa vedety ilay polisivavy nanavotra bevohoka

Faly ny olona satria tena noporofoin’ilay polisivavy ilay andraikitra voalohan’ny mpitandro ny filaminana dia ny fiarovana ny olona sy ny fananany. Tamin’ity tranga omaly tetsy Anosy ity dia ain’olona roa izay miady aman’aina no indray navotany. Tsy inona izany fa ny ramatoa iray sy ny zaza tao an-kibony. Nihetsi-jaza tampoka teny an-dàlana itsy voalohany ary izany dia teo anoloan’ny biraon’ny polisy tetsy Anosy . Taitra ilay polisivavy ary nanao izay heriny nanavotana ilay ramatoa. Nanakana fiara araka ny voafaritry ny lalàna ary io no nasaina nanatitra azy mianaka teny amin’ny toeram-pitsaboana. Teraka soa aman-tsara ilay vehivavy ary samy salama izy mianaka. Betsaka no nahita izany fihetsika izany, hatreo amin’ny fangalàna fiara ka hatreny amin’ny maternite izay teo hatrany ilay mpitandro ny filaminana. Betsaka koa ny nahazo sary sy sarimihetsika ny zava-nitranga ary vetivety dia niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy izany. Vetivety dia lasa olo-malaza ilay polisivavy ary velon-tsiky taminy ny olona marobe. Zavatra kely toa izay matetika dia mampiverina sy manamafy ny fahatokisan’ny olona amin’ny mpitandro ny filaminana, eny fa na dia asa andavanandron’ireto farany aza izany.  

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici