- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Lehilahy iray namono olona, nanapoaka grenady niakatra fitsarana

Anosy : Lehilahy iray namono olona, nanapoaka grenady niakatra fitsarana

Omaly no niakatra fitsarana ny lehilahy iray nampangaina ho namono sinoa vavy hita faty teny Soamanandrariny tamin’ny volana jolay 2014, nisoloky an-tapitrisa maro, fanondranana andramena ary fipoahana grenady nahafaty olona teny Anosy tamin’ny volana janoary 2014. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa na dia efa notazonina teny Tsifahy aza izy io dia nahazo fahafahana vonjimaika avy eo. Maro dia maro anefa ny zavatra anenjehana azy, hoy hatrany ny vaovao, ka raikitra ny fitadiavana azy. Ny faha-29 novambra teo no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny « brigade criminelle » teny Behoririka izy, hoy hatrany ny vaovao. Volana maro no nikarohana an’ity lehilahy ka dia izao tratra izao indray ny anao lahy. Amin’izao fotoana izao, andrasana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana mikasika azy. Anisan’ny mbola hanaovana fanadihadiana azy mantsy, hoy ny mpitandro filaminana, ny fipoahana nisesisesy tato ho ato teto an-drenivohitra.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici