- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAnosy : Lehilahy nitondra basy nosamborina

Anosy : Lehilahy nitondra basy nosamborina

Efa narahana izy satria nahazoam-baovao ny momba azy. Teo akaikin’ny ivon-toeran’ny statistika (Instat) etsy Anosy no nosamborina ity lehilahy ity omaly antoandro. Nahitana basy tany aminy, fitaovam-piadiana, izay ny fanadihadiana no hamantarana izay antony nitondrana an’izany. Basy “calibre 12” ilay sarona raha araka ny fanampim-panazavana azonay tamin’ny mpitandro  filaminana. Izany hoe basy lava, saingy natao izay nanafenana azy. Tsy mbola fantatra mazava na entina hamidy na koa entina hanafihana ny tena nilàna ity fitaovam-piadiana ity.  Nentina tao Ankadilàlana ilay lehilahy ary nanomboka avy hatrany ny fanadihadiana azy omaly. Miparitaka ny basy eto an-drenivohitra ary mazava raha mirongatra ny fanafihan-jiolahy. Misy mihitsy aza ny toeram-panamboarana basy vita gasy, soa fa mba hitan’ny mpitandro ny filaminana. Isan’izany ny tany Ambalavao sy ny tany Ambatolampy. Ankoatr’izay koa dia mahazo vahana ny fampanofana fitaovam-piadiana sy ny fivarotana izany aza indraindray. Mbola lavitr’ezaka ny ady amin’ny fiparitahan’ny basy…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser