- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Mifampitory ny mpivady noho ny fijalian’ny zaza

Anosy : Mifampitory ny mpivady noho ny fijalian’ny zaza

Rangahy nitory ny vadiny teo aloha; izay efa nisarahana noho ny fampijaliana ireo zanak’izy ireo miisa roa. Ramatoa kosa dia mitory an-drangahy noho ny tsy fandoavana latsakemboka amin’ny fitaizana ny zaza. Dia niakatra fampanoavana tokoa ny raharaha ary niteraka ny fidobohana am-ponjan’ilay rangahy. Rehefa nandeha ny fitsarana, dia nafahana ilay rangahy noho ny fisalasalana. Toy izao ny zava-nitranga raha fintinina fohy. Rehefa nisaraka izy mivady, taona maromaro lasa izay, dia nahazo ny fitazonana ny zaza ramatoa. Noho ny asany anefa dia napetrany tany amina ramatoa hafa ireo zaza izay lasa nijaly sy farofy. Nanambady hafa rahateo ramatoa ary mainka koa hadinony ny fitaizana ireo zaza roa. Nisy fotoana izy nidoboka am-ponja ary mainka koa nitombo ny fijalian’ny zaza. Rehefa tsikaritry ny rain-jaza izany dia nangataka alàlana tamin’ny fitsarana izy amin’ny fitazonana ny zanany. Neken’ny fitsarana izany, saingy isaky ny haka ny zaza ilay rangahy dia tsy hita foana izay asiany ireo olona. Rehefa nitory ary rangahy noho ny tsy fanajàna didim-pitsarana, dia nitory koa ramatoa noho ny tsy fandoavana “pension”. Dia nidoboka am-ponja rangahy mandra-pahatongan’ny fitsarana azy. Mizana tsindrian’ila tanteraka, hoy ny havan’ilay rangahy. Soa fa mba tafavoaka ny fonja ihany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici