Niainga tamin’ny fitoriana nipetraka teo anivon’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava (BC) ny raharaha. Lehilahy iray no nitaraina fa efa hatramin’ny volana aprily izy no nisy nandrahona hitory raha tsy manome vola. Ny antony dia noho izy nolazain’ireo mpisoloky fa mangalatra hatrany ny entan’ny sinoa, izay fangalany entana. Nitonona ho pôlisy izay nataon’ny sinoa manara-maso ihany koa ilay mpandefa sms. Dia natahotra tokoa ilay olona ka nanome vola in-telo miantoana, izay mitentina 500.000Ar. Tsy nijanona teo aza fa rehefa nanjono ny fintana dia nampiakarin’ireo mpisandoka ho pôlisy ny vola. Tafiakatra hatrany amin’ny 2.000.000 ariary izany. Tsy nionona teo fa lasa niantso mihitsy ary nilaza fa manana CD mirakitra ny halatra rehetra eo anivon’ilay toeram-pivarotana ilay mpisoloky. Raha manome ny vola ilainy dia omeny azy ny CD dia mijanona hatreo ny raharaha, raha ny fanazavany izay notaterin’ny pôlisy. Natao ary ny fotoana, teo amin’ny Total Isotry. Efa nipetraka ny fitoriana tamin’io ka noraisim-potsiny ilay mpisandoka izay antsoina hoe Mamanga. Nanondro olon-kafa indray io nony avy eo. Isan’izany ny ramatoa iray izay voasambotra koa. Niaiky io farany fa izy tokoa no atidoha nikotrika ny rehetra. Tsy iza anefa izy fa rahavavin’ny mpitory ihany. Mifanerasera matetika ireo ka tamin’izany no nahalalany ny aferan’ny mpiray tampo aminy. Isan’izany ny fividianana entana halatra ao amin’ny sinoa. “Nandalo fahasahiranana izy ka nangataka fanampiana nefa tsy nahazo. Teo amin’izay no nanomboka nivadika izy”, hoy ny pôlisy manazava. Olona dimy no voasambotra noho ity raharaha ity ary mbola misy roa karohana. Voasambotra izany ireo mpisoloky ho pôlisy. Asa kosa anefa raha mba nisy fanadihadiana nisokatra tamin’ny fanazavan’ireo voasambotra izay nilaza mazava fa mividy entana halatra ireo mpitory. Indrindra koa, matoa nanaiky nandoa vola matetika ireo mpitory ireo dia mety manamarina fa tena natahotra tokoa izy ireo, satria misy tsy mety ny fanaony…
D.R