samedi, avril 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Mitam-basy ny mpangalatra moto

Anosy : Mitam-basy ny mpangalatra moto

Mitazona basy vita gasy ny mpangalatra moto. Maty voatifitra ny iray tetsy Anosy raha tafaporitsaka niaraka tamin’ny moto vao avy nangalarina kosa ny namany. Nitohy ny fitadiavam-baovao momba ity tranga ity ary isan’ny nanampy betsaka ny fokontany nampahafantatra izay hitany sy reny rehefa nampahafantarina azy ireo ny zava-nitranga tetsy Anosy. Nisy vokany tokoa izany satria dia nisy nahita ny fisian’ilay moto teo Madera-Namontana. Natao ny fisavàna ary tena ilay kodiaran-droa very tokoa. Amin’izao dia mizotra any amin’ny fikarohana ilay jiolahy izay mbola mitsoaka miriaria any ankehitriny ny ezaka rehetra ataon’ny polisy izay misahana ity raharaha ity. Mahazo vahana ny halatra moto eto an-drenivohitra satria miroborobo koa ny mpividy. Matetika dia haboridan’ireo olon-dratsy ny kodiaran-droa ary amidiny ny piesy. Ao koa anefa ireo manova endrika ny moto, manao taratasy hosoka ary mivarotra izany indray. Mihodina haingana ilay afera ratsy ary porofon’izany ity fisian’ny mpangalatra moto izay efa mitam-basy koa ankehitriny.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici