Olona maromaro no indray nitory azy. Milaza izy fa mopera avy any Moramanga. Hain’ity rangahy lehibe, 63 taona, ny mambabo ny fon’ireo izay hataony lasibatra amin’ny halatra izay hataony. Manao akanjo fanaon’ny pretra izy ary dia mora nanaiky azy koa ny olona. Isan’izany ny fianakaviana iray izay monina etsy Anjanahary ; izay tonga hatramin’ny fampiantranoana azy mihitsy noho ny fahatokisana an’i « mopera ». Nandritry ny efa-bolana ity amboadia mitafy hodi-janak’ondry no nitoetra tao ary dia tsy nisy niahiahy ny momba azy. Hainy tanteraka ny nilalao ny sarimihetsika ary dia najaina hatrany izy tao an-trano. Vao maraina dia efa mipasoka ny akanjo lava fanaovan’ny mopera ity mpisandoka. Ary dia manana anton-dia hatrany izy isan’andro, toa ny hoe hampivavaka eny amin’ny paroasy na koa antony hafa. Na ny manodidina io tokantrano io ary dia lasa nifankahazatra tsara tamin’i mopera sandoka. Teo no tena nandeha ny fisolokiana. Nivarotany moto izay tsy misy akory ny ramatoa iray. Rehefa azony ny vola an-tapitrisany dia nanjavona amin’izay i mopera sandoka. Rehefa antsoina izy dia nivadika tanteraka ny lelany ary lasa jiolahim-boto no mamaly amin’ny finday. Sady mibetroka no manompa. Ny niafarany aza dia novonoiny hatramin’ny finday. Nametraka fitoriana teny anivon’ny polisy tetsy Tsaralalàna ny olona ary nanomboka teo ny fikarohana azy. Andro maro taty aoriana, nisy nahatsikaritra tampoka teny Antanimena ka nampandre ny polisy izay nanao ny fisamborana avy hatrany. Notazomina ary nanokafana fanadihadiana. Teo no nahafantarana, fa efa marobe ny olona izay voasolokiny. Natolotra omaly ny fampanoavana ity mpisoloky ity.
D.R