- Publicité -
mardi, juillet 22, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Mpanao “mena mahazo” nosamborin’ny polisy

Anosy : Mpanao “mena mahazo” nosamborin’ny polisy

Telolahy no nosamborin’ny polisy teny amin’ny zaridaina Anosy tamin’ny alarobia lasa teo. Hiampangana azy ireo ny fanaovana kilalao miharo hosoka lazaina taloha hoe “Mena Mahazo”. Lalao karatra izy io. Eo koa ny fandrebirebena amin’ny fehikibo ahorongorona ka tsatohana zavatra ny afovoany, dia taritina, ka raha miraikitra ilay zavatra dia mahazo. Tany aloha elabe tany, “bibilava” no niantsoan’ny mpanao ity lalao fanambakana ity.  Maro dia maro ny olona roboka amina karazana lalao ohatra an’izao, indrindra ireo mora voarebireby. Vola haingana mantsy ilay izy. Rehefa tena mandinika anefa ny rehetra dia fomba hanjonoana ireo mora fitahana ireto karazana lalao ireto. Tonga mantsy dia avy roa heny ny vola apetraka. Raha mametraka iray alina ianao dia mahazo roa alina ariary. Ny tsy fantatry ny maro, misy ny mpandrisika izay naman’ilay mpilalao karatra. Rehefa mametraka vola io dia mahazo, na amin’ny karatra na amin’ilay fehinkibo. Rehefa roboka amin’izay ny mpitazana dia tsy mahazo intsony fa lasan-dry zalahy mora foana ny vola. Avy eo vao manenina ary misy mihitsy aza ny mitomany.

Voajono amin’ity karazana lalao ity ny mpiantsena. Vola tokony hamidy laoka no lasan’ny sasany. Ny tsy fantatry ny maro dia ity, tsy mandeha irery ny olona manao ity lalao ity fa misy andiany mihitsy. Ao ny mpanodina ny karatra sy ny fehinkibo, ary ao koa ny karazana mpanera mandrisika hilalao.

Taona marobe lasa, nanjaka teto an-drenivohitra ity lalao ratsy ity ary efa tsy hita intsony taty aoriana. Izao anefa miverina indray. Maro ny olona nilaza tamin’izany fa manao fanafody ireo  mpilalao karatra ireo. Toa tsy izany anefa no izy fa fandrebirebena no tena marina aminy.

Atolotra ny Fampanoavana tsy ho ela izy telo nosamborina ireto.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici