- Publicité -
dimanche, septembre 7, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosy : Mpanao sinto-mahery tratra am-bodiomby

Anosy : Mpanao sinto-mahery tratra am-bodiomby

Anisan’ireo faritra iray mampikolay ny rehetra tokoa amin’ny resaka harom-paosy sy sinto-mahery raha eo Anosy eo. Indrindra moa fa amin’ireo toeram-piantsoan’ireo taxi-be mandalo eny an-toerana. Tsy maraina, tsy atoandro, tsy hariva fa tsy maintsy misy voan-dry zalahy foana. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, sendra iray andro tao anatin’ny sivifolo ny iray tamin’ireto tontakely zatra lalan-dririnina ireto ka tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy. Raha ny fantatra dia efa finday halatra miisa efatra no tany aminy, nefa vao atoandro. Azo heverina fa raha mandrapaharivan’ny andro, mety efa maromaro ihany ny azony. Raha ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia teo ambany mason’ireo mpitandro filaminana mihitsy ingahy no nisintona ilay finday. Raikitra ny fifanenjehana ary tsy lasa lavitra ingahy tontakely dia voasambotra. Tsy afa-nandà satria nampangain’ireo porofo tsy azo lavina tany aminy. Nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy avy hatrany moa ranamana taorian’ny fisamborana azy.

Raha toa izao foana ny fandraisan’andraikitr’ireo mpitandro filaminana eny amin’iny faritra iny dia azo inoana fa ho foana tsy ho ela mihitsy ireo tontakely ireo. Ny mampalaelo mantsy dia misy ny sasantsany, tsy hanan-tsaina afa-tsy ny « hanapaka » sy haka « régime » amin’ireo fiara fitateram-bahoaka mifamezivezy eny an-toerana …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici