Andro vitsivitsy lasa izay, niharan’ny tsindry hazolena ny mpiasa iray tao amina trano fandihizana amin’ny alina eny amin’ny faritra Anosy. Sady niharan’ny daroka izy no noroahan’ilay mpampiasa azy. Araka ny filazany, mpiambina sy miasahana ny fandriampahalemana ao amin’ilay trano izy. Nisy fotoana anefa, rehefa avy nanatitra zavatra tany amin’ny toerana iray izy ka nifanena tamin’ilay mpampiasa dia nolazain’itsy farany fa nangalatra ary nosavainy. Nitsotra ilay mpiasa fa vola « pour boire » nomen’olona azy, ohatra ny isan’andro no tany am-paosiny. Tsy nanaiky izany ilay mpampiasa fa avy dia nidaroka. Avy eo nitory ilay mpiasa tany amin’ny mpitandro filaminana. Efa nandalo teny amin’ny fitsarana ny raharaha ary toa tsy nijanona teo satria mahatsiaro tena ho niharan’ny tsy rariny ilay mpiasa ka nanao fitoriana an’ilay mpampiasa koa mikasika ny fikasihan-tanana azy sy ny fandroahana tsy nisy fampialazana akory.
Nangonin’i r.s.