Raha tsiahivina dia toerana tokony hilamina ity faritra ity. Tokony ho ampy ny mpitandro ny filaminana miasa any. Maro an’isa ny zandary raha tsy hilaza afa-tsy ny fisian’ilay atao hoe CSAO (centre spécial d’agguérissement opérationnel) sy ireo poste avancé de la gendarmerie ao Maromby sy Tranovao. Eo ihany koa ny fisian’ny tafika Malagasy avy ao amin’ny ZDS Mandrare (Zone de Défense et de Sécurité). Tsy lazaina intsony ny niforon’ireo kaomisaria sy paositry ny polisy izay efa nohezahina manakaiky vahoaka. Indrisy anefa raha raha araky ny fitaraina’ireo mponina avy any dia zary ireo mpitandro filaminana indray no lasa hery famoretana azy ireo. Nitranga izany tamin’ilay raharaha nahafaty voatifitra ilay mpiasan’ny PAM tamin’ny taona lasa iny. Tao arorian »ny fanadihadina diaa fantatra ny olona nahavita iny heloka iny. Nisy araka izany ny baiko nomena ny andri-masom-pokonolona hisambotra io olona io. Voasambotra tokoa ity farany ary natolotra ity naniraka. Heno anefa fa hoe maty ity nolazaina fa tena mpamono olona ka nitory ireo andri-masom-pokonolona ny fianakaviany. Noho izay fitoriana izay dia ireo andri-masom-pokonolo,a indray no natao hazalamboka. Efatra tamin’ireto farany no nosamborina ary voatana tany amin’ny zandary. Tao anatin’ny fandihadiana ireo olona ireo no nisamborana ny renin’ny iray tamin’izy ireo. Ity farany izay nilaza fa notakiana vola 15 tapitrisa ariary ho sandan’ny famontsorana ny zanany. Tsy nanaiky izany anefa izy satria noheveriny fa tsy misy heloka tokony hanenjehana azy mihitsy amin’izao raharaha izao. Tsy nijanona teo efa ny raharaha fa norobaina avokoa ny fananan’ity ramatoa ity, araka ny fitarainany, ka lasa tamin’izany ny omby miisa 108 sy osy 120, biby izay nogiazan”ny zandary avokoa. Naharitra andro maromaro ity olona ity no notanana tany amin’ny tobin’ny zandary ka nahatonga ny mpiara-monina taminy naka mpisolovava avy any Betroka mba hiaro azy. Ity mpisolovava ity no nandray andraikitra ka nitondra ny raharaha teo anivon’ny Fampanoavana ka nampilamina izany. Votsotra daholo ireo andri-masom-pokonolona ary naverina tamin’ilay ramatoa ny fananany izay efa maro no nanjavona. Manoloana izany rehetra voatanisa tetsy aloha izany dia miangavy ireto mponina avy any Amboasary Atsimo ireto ny mba hijerena akaiky ity raharaha ity.
T.M.