- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Mpivarotra voaroba, silipo sisa tavela

Anosy : Mpivarotra voaroba, silipo sisa tavela

Mirongatra izay tsy izy mihitsy ny fandrobana sy ny asa ratsin’ireo tontakely amin’izao andro manakaiky fety izao. Lehilahy iray avy nivarotra no sendra ireo olon-dratsy ny alarobia hariva lasa teo, tetsy Anosy. Lasa tamin’izany ny vola matin’ity lehilahy ity tany aminy, mitentina eo amin’ny iray tapitrisa ariary teo ho eo. Tsy vitan’izay fa nendahin’ireo jiolahy ara-bakiteny ny fitafiana rehetra tany aminy ka ny tako-kenatra sisa navelan’izy ireo. Araka ny fantatra dia avy nivarotra tany Analakely ity lehilahy ity, ary avy eo nifindra tany Anosy. Teny an-dalam-podiana izy no tojo an’ireo mpanendaka, raha saika handeha hamonjy taxibe iny. Tsy nanaiky lembenana anefa ny lehilahy teo anatrehan’ireo jiolahy ka nanohitra azy ireo. Sendra ny be noho ny vitsy anefa ka lavo tamin’ny tany ihany. Novonoin’ireo mpanendaka tsy nananany antra ity mpivarotra ka io nalain-dry zalahy hatramin’ny fitafiana teny an-kodiny io. Voalaza fa nisy ihany ny olona nahita maso ity zavatra ity, saingy tsy nisy sahy niditra izy ireo. Olona no niantra ity lehilahy ity ary nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser