Efa ho herinandro izay i R. no notazomina vonjimaika teny amin’ny fonjan’Antanimora. Omaly no niakatra tao amin’ny efitrano fitsarana ady heloka tsotra ny raharaha saingy nanapa-kevitra ny mpitsara ny hanemotra izany amin’ny fotoan-kafa noho ny tsy fahefenoan’ny antontan-taratasin’ady. Ny zava-nitranga nitarika ny olona, raha araka ny fanadihadiana natao, dia ny fanehoan’ity rangahy ity hevitra tamin’ny fahitalavitra. Tsy niandry ela akory ny valin’izany satria nisy fitoriana avy hatrany nandeha tany amin’ny mpitandro ny filaminana. Fanalam-baràka no anton’izany. Nahakasika olan’ny fitaterana sy fiverimberenan’ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra sy amin’ny lalam-pirenena no tena nanehoany hevitra ary nizarany ny fijeriny, toy ny hoe ny kaoperativa sasany no isan’ny manao alasafay ka mitarika izany. Dia nipetraka ny fitoriana taorian’izay ary nampidoboka am-ponja an’i R. Io farany izay sady mpitatitra ihany koa no mpandraharaha ao anatin’izany. Ny any ivelany dia izay rehetra mahakasika ny fiainam-pirenena dia avy hatrany dia miteraka adihevitra avy hatrany amin’ny haino aman-jery isan-karazany ary tsy misalasala ny olona maneho ny heviny malalaka. Rehefa tsy miteraka adim-poko, na fanompàna na koa famoahana tsiambaratelon’ny fanjakana dia efa malalaka sy tompon’andraikitra amin’ny teneniny ny vahiny. Toy izany tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, na ny fahazoan’ny filoha frantsay alika aza dia noresahina tamin’ny fandaharana adihevitra maro tamin’ny haino aman-jery. Eto amintsika, raha vao mikasika ny raharaha mafampàna, na dia vaovao ampitaina amin’ny fomba mahatsikaiky aza, dia miteraka fitoriana avy hatrany. Mihemotra tanteraka isika ary na ny Amnesty International aza dia misy eto an-toerana ankehitriny mijery akaiky izany fiverenan-dàlana izany amin’ny lafiny fanehoan-kevitra…
D.R