Niakatra fampanoavana eo anivon’ny fitsaràna miady amin’ny kolikoly (Pôle Anti-Corruption) ilay ramatoa izay nisy nitory noho ny fivarotan’olona ary nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Eny izy no miandry ny fitsaràna azy, ankoatra izay mety ho fanadihadiana lalina ilain’ny mpitsara mpanao famotorana. Raha tsiahivina dia ny zatovovavy izay niasa an-trano tao aminy ihany no navadiny ho lasa mpivaron-tena. Tsy mbola ampy taona izy tamin’izany ary nafarana avy any amin’ny faritra. Kinanjo fanararaotana tanteraka no nanjo azy taty an-drenivohitra. Noterena hivaro-tena izy amin’ny alina ary ny antoandro indray dia miasa an-trano sy manampy amin’ny asa fivarotana enta-madinika izay an’ny mpampiasa azy. Dia toy izany foana no niainan’ilay vehivavy nandritry ny fito taona. Ny tena nahatohina azy dia ny fisian’ny vazaha izay nanan-kevitry ny haka vady azy kanefa nihemotra rehefa nahafantatra fa misy olona migoka ny tombontsoa omena azy ilay vehivavy olon-tiany. Taty aoriana dia nisy vazaha iray hafa koa nampaka-bady azy kanefa sarona ny paika ratsin’ilay ramatoa mpampiasa ary dia tsy nanan-kery ny mariazy. Ny olana indray teo dia taratasy hosoka no nomena ilay vehivavy hanambady. Novaina ny anarany ary natao hoe zanak’ilay ramatoa mpampiasa azy izy. Izany dia mba hahafahan’ilay ramatoa maka izay azo hatrany. Tofoka ilay vehivavy ny farany ary nitory an-dramatoa ary dia io nidoboka am-ponja vonjimaika ny ahiana ho tompon’andraikitra. Betsaka ny tranga toa izany saingy vitsy kosa ny sahy mamaky ny fahanginana…
D.R