Tsy ny tranon’olon-tsotra ihany no iharan’ny asan-jiolahy, fa ny biraom-panjakana koa. Ny alin’ny alatsinainy teo no tafiditra tao amin’ny minisiteran’ny toekarena ireo olon-dratsy izay nanaram-po nibata entana nony avy teo. Tsy voafaritra mazava ny zavatra lasa tamin’ity raharaha ity, saingy raha ny fanamarihana avy amin’ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia entana maro no lasa. Tao amin’ny rihana voalohany no tena nandalovan’ireo, raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany. Satria ministera isan’ny iankinan’ny fiandrianam-pirenena no voakasika dia noraisin’ny zandary misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava avy hatrany ny fikarohana ny nahavanon-doza. Tsy vao voalohany no nisy ny famakiana biraom-panjakana toy izao. Na dia eo aza ny fiambenan’ny mpitandro ny filaminana, dia mbola misy ihany ny tafatsofoka amin’ireny toerana ireny amin’ny alina. Ny solosaina no tena ataon’ireo olon-dratsy lasibatra voalohany ary koa ny famakiana ireo latabatra mihidy izay matetika eritreretin’ny mpangalatra, fa misy vola mipetraka. Isan’ny faran’ny nandalovan’ny jiolahy ny biraom-panjakana etsy Faravohitra, tao amin’ny ministeran’ny fitsarana. Lasa tao ny solosaina sy ny antontan-taratasy. Ny efitra tany ambany rihana no nidiran’ireo alim-be. Ny pôlisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava no nandray an-tànana io raharaha io. Samy misy mpiambina avokoa ireo toerana rehetra izay voalaza ary mpitandro ny filaminana mitam-basy aza no misahana an’izany. Saingy mbola vitan’ny olon-dratsy hatrany ny mamaky ny birao.
D.R