- Publicité -
vendredi, juin 27, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Nitsoaka ilay fiara nahafaty renim-pianakaviana

Anosy : Nitsoaka ilay fiara nahafaty renim-pianakaviana

Ramatoa izay hamonjy fiangonana vao maraina ny andron’ny taom-baovao no niharan’ny lozam-pifamoivoizana. Teo Anosy no nitranga izany ary maty tsy tsa-drano ilay olona voadona. Mpianaka izy ireo no niaraka dia ilay ramatoa sy ny zanany lahy izay mbola kely. Ilay zaza mba tsy naninona nandritr’ity lozam-pifamoivoizana ity, saingy kosa hitany ny nahafatesan-dreniny. Ny « enjoliveur » izay latsaka teo an-toerana no nahafantarana ny marik’ilay fiara nandona. Ny lokon’ny fiara kosa dia tadidin’ilay zaza. Rehefa nakambana izany dia fantatra fa Fiat miloko mainty ny fiara nentin’ilay nahavanon-doza izay tsy nijanona fa nitsoaka avy hatrany ary navelany teo ny maty sy ny naratra. Mendrika ampiasaina avokoa ny sary noraiketin’ny « vidéosurveilance » rehetra izay misy amin’ny lalan’ilay fiara nitsoaka mba hamantarana ny laharany ka hahitàna ny mpamily nahafaty olona. Toe-javatra toy izany no tena isan’ny ilaina ireny fitaovana ireny hapetraka etsy sy eroa. Etsy ankilan’izay, mitady ho lasa fanaon’ny mpamily nahavanon-doza ny manao « délit de fuite » ankehitriny, indrindra raha amin’ny toerana tsy be olona. Izany dia mbola noho ny tsy fahampian’ny fitaovana fanaraha-maso ny fifamoivoizana hatrany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici