Omaly no nampanantsoina ary nanaovana fanadihadiana anatiny ilay pôlisy izay nisy nitory noho ny halatra môtô. Amin’ny fanadihadiana azy dia tsy nisy nipika ny resaka tao anatiny. Heverina kosa ho tsy nisy ny kiantranoantrano tamin’ity raharaha ity. Ny mpitory rahateo dia nanizingizina hatramin’ny farany fa tsy hanatsoaka ny fitoriany. Raha hiverenana ny fandehan’ny raharaha dia nisy fanakanana môtô. Rehefa lany daty ny taratasy fiantohana dia nanomboka eo amin’izay ny fanaparam-pahefana. Nasaina nidina ny tompony ary nalaina ny môtô ary nolazaina fa entina any amin’ny biraon’ny pôlisy. Tsy afa-nanoatra teo ny tompony. Rehefa tonga naka ny môtô izy dia akory ny hagagany fa efa niova tanteraka na ny lokony na ny paoziny. Natao mihitsy izay tsy hahafantarana azy intsony. Teo amin’izay no niainga ny disadisa izay niafara tamin’ny fitoriana ary io tonga tamin’ny fanokafana fanadihadiana ilay pôlisy io rehefa niady hatramin’ny farany ny mpitory.
D.R