- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy :  "Officier de police sandoka" nidoboka eny Antanimora

Anosy :  « Officier de police sandoka » nidoboka eny Antanimora

Ilay mpisandoka.

Dondrona fa feno fahasahiana. Izay no azo ilazàna ity lehilahy ity. Nisandoka ho polisy izy ary sahy nanatona ny biraon’ny polisy koa anefa. Tsy vitan’izany fa tetsy amin’ny sampana misahana ny heloka bevava no nigadona. Toy izao ny fizotran’ny tantara. Nisy olona nosamboriny rehefa nividy entana halatra. Ny entana dia naverin’ilay polisy sandoka soa aman-tsara tamin’ny tompony. Ny mpangalatra kosa nangatahany roa tapitrisa ariary dia havotsotra avy eo. Mba hoentiny mandresy lahatra izany dia nentiny teny amin’ny « brigade criminelle » etsy Anosy ilay olona. Niditra tao amin’ny biraon’ny polisy ilay mpisandoka ary dia sahy nitonona ho toy ny polisy. Navela nanazava ny anton-diany izy ary rehefa natao ny fanamarinana rehetra dia fantatra tamin’izay fa mpisandoka ho « officier de police » ilay lehilahy. Noraisim-potsiny ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany. Nidoboka am-ponja rehefa natolotra ny fampanoavana. Tonga amin’ny fitenenana hoe mamo niantso polisy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici