- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Ramatoa iray tompon’andraikitra ambony ao amin’ny ministera mampiasa diplaoma sandoka

Anosy : Ramatoa iray tompon’andraikitra ambony ao amin’ny ministera mampiasa diplaoma sandoka

Efa tsy zoviana eto amintsika intsony ity resaka fampiasana diplaoma  hosoka ity mba hahazoana toerana ambony. Ramatoa iray tompon’andraikitra ambony no voatonontonona fa nampiasa fomba nahazoana toerana ambony tamin’ny famoronana « Curriculum Vitae », mba hamitahana ny mpiara-miasa aminy. Ramatoa iray manodidina ny 40 taona mahery no nahavita izao zava-doza izao. Rehefa natao ny fanadihadiana dia hita fa tsy nisoratra teny amin’ireo fianarana ambony tantarainy  ny diplaoma azony, anisan’izany ny nahazoany ny diplaoma : Doctorat sy Maîtrise ary Licence tao amin’ny sampam-pampianarana   fitantanana. Eo anivon’ny ministera tokoa mantsy dia betsaka ny toe-javatra efa nitranga toy izao amin’ny hafetsifetsena fampiasana marim-pahaizana sandoka hiakarana antanantohatra.

Efa mandeha moa ny fanadiahadiana amin’izao fotoana izao ka raha vao hita sy voamarina fa hosoko sy sandoka ireo maripahaizana ireo dia handray andraikitra avy hatrany ny ministera iasany ka hampihatra avy hatrany ny sazy sahaza, toy ny fandroahana tsy misy hatakandro, ary mbola mety hiakatra fitsarana ihany koa ny raharaha.  Noho izany dia mampitandrina ireo mpanao hosoka  ny mpampiasa mba samy hanaja sy hanaraka izay fari-pahaizana marina mifanaraka amin’ny fianarana norantoviny avy, satria ny toe-javatra tahaka izao dia mambotry ny firenena sady ihany koa manala baraka ny mpampiasa raha sendra misy tsy fahafehezana ny asa atao.

Alem

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser