- Publicité -
vendredi, novembre 7, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosy : Roa tapitrisa ariary very tany amina mpitsara sandoka

Anosy : Roa tapitrisa ariary very tany amina mpitsara sandoka

Lehilahy iray misandoka ho mpitsara sy milaza fa maha-tafiditra ho mpiasa-mpanjakana no tra-tehaky ny pôlisy misahana ny heloka bevava ny talata lasa teo tetsy Anosy. Tamin’ny alalan’ny fitorian’ny olona iray izay efa voasolokiny roa tapitrisa ariary no nahafahan’ireo pôlisy nanenjika sy nanjono ity raim-pianakaviana 43 taona ity. Raha ny zava-nitranga, ny volana aogositra lasa teo, dia tsara resaka tamin’ity olona voasoloky ranamana. Nilaza izy tamin’izay fotoana izay fa mpitsara miasa ao Anosy ary mahatafiditra olona ho mpiasam-panjakana. Roboka tamin’ny fandresen-dahatra itsy farany. Ny vadiny rahateo nametraka antontan-taratasy hiditra ho mpianatra ho pôlisy. Tamin’izay fotoana izay ihany koa no nanome toky azy fatratra ilay rangahy fa “vitany izany fa mahafantatra olona ambony ao amin’ny polisy ny tenany ka hampidirina ao anaty « cota ». Raikitra tamin’izay ary fa vola eo amin’ny roa tapitrisa ariary no nifanarahan’izy roa tonta. Ny 19 aogositra lasa teo no nomena ilay vola, raha ny vaovao azo hatrany. Nampanantena ity mpitsara sandoka ity tamin’izay fa hisoratra avy hatrany ao anaty lisitra ilay vadiny amin’ny volana septambra. Fotoana izay hivalian’ilay fifaninana. Nandeha anefa ny fotoana, tsy araka ny noeritreretina ny zava-nitranga. Ilay fifaninana ihany koa tsy nety nivaly. Teo vao tonga saina fa hay mpisoloky ity nandrebireby azy ireo ity. Nametraka fitairana avy hatrany izy ireo, ary izao noraisim-potsiny izao “Ingahy mpitsara”. “Tamin’ny famotorana natao taminy, nilaza izy fa nandray vola tamin’ilay mpitory fa 600.000 ariary ihany no noraisiny ary notrosaina”, hoy ny vaovao. Niaiky ihany koa ity farany fa nisandoka ho mpitsara ary ny teny asany dia “assistant juridique” na irony sekreterana mpisolo vava irony. Kanefa, hoy hatrany ny vaovao fa “tsy manana fanamarihana mifandraika amin’izany izy”. Efa eny am-pelatanan’ireo mpitsara mpanao famotorana moa ny raharaha amin’izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici