- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnosy : Sahotaka omaly hariva, nianjera ny tamboho teo akaikin’ny nipoahan’ilay grenady

Anosy : Sahotaka omaly hariva, nianjera ny tamboho teo akaikin’ny nipoahan’ilay grenady

Nirodana ilay tamboho, olona iray no naratra.
Nirodana ilay tamboho, olona iray no naratra.

Olona nivarotra tsy lavitra teo no naratra teo amin’ny tongony. Efa nalefa any amin’ny hopitaly.

Omaly alatsinainy hariva tokony ho tany amin’ny 7 ora tany ho any, nisahotaka indray ny teny Anosy fa nisy zavatra nidoboka be teo amin’ny toerana iray tsy lavitra loatra an’ilay nipoahan’ny grenady tamin’ny sabotsy. Nitovy tsy nisy valaka moa ny ora, na ny omaly na ny tamin’ny sabotsy ka maro ireo nihevitra fa nisy baomba nipoaka indray. Taitra daholo ireo mpiandry taxi-be, ireo mpivarotra sy ireo olona mpandeha an-tongotra mampiasa an’iny làlana iny. Ny vaovao voaray teny an-toerana no nahalalàna fa nisy olona iray nianjeran’ny biriky ary naratra teo amin’ny tongony. Avy hatrany dia nisy nitondra any amin’ny hopitaly izy io. Polisy mandamina ny fifamoivoizana tsy lavitra teo no nanaitra ny maro ary nampandre avy hatrany ny lehibeny mikasika io zavatra io. Tsy naharitra ela dia tonga teny an-toerana ny tompon’andraikitra maro eto an-drenivohitra misahana ny fandriampahalemana. Nofefena tsy azo naleha ny làlana ary dia nojeren’izy ireo akaiky ny fandehan-javatra. Mameno ny antsasaky ny arabe ny biriky nianjera avy amin’ilay tamboho. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalana ary nijery ifotony sao dia mbola misy olona tavela tao amban’ireo biriky.

Ny resaka nifanaovana tamin’ny tompon’ny trano no nanamafy fa tsy nisy zavatra nipoaka teny. Nanampy izany ny mpivarotra iray tsy lavitra teo, fa tamboho nianjera no nisy. Ny fanazavana azo dia ny hoe: ankeviny efa nitriatra ilay tamboho vokatry ny fipoahan’ny grenady tamin’ny sabotsy. Omaly,avy be ny orana tokony ho tany amin’ny 5 ora tany ho any ka izany no nampirodana io fefy io. Vetivety ihany moa, rehefa avy nanamarina ny fandehan-javatra ny mpitandro filamina, dia niala ny toerana. Niverina tamin’ny laoniny ny fifamoivoizana ary azo naleha ny làlana, izay ao anaty haizina tanteraka. Tsy misy jiro amin’ny sisin-dàlana.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser