- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Vehivavy algérienne voaendaka

Anosy : Vehivavy algérienne voaendaka

« Vao avy nivoaka ny ‘agence de voyage’ aho no hay nisy jiolahy nanaraka ka nisintona avy hatrany ny paoketra nentiko”, hoy ny fanazavan’ilay madama. Ny olana anefa dia tao anatin’io avokoa ny taratasy maro mahakasika azy. Tsy dia nisy vola loatra tao, ankoatra ny devizy euro “kelikely” sy vola malagasy, raha araka ny filazany. Ny tena olana dia isan’ny lasan’ny jiolahy ihany koa ny ravina seky fampiasan-dramatoa. Voatery nampandre faran’izay haingana ny bankiny sy ny mpitandro ny filaminana izy raha nitranga ity fandrobana azy ity. Ny harivan’ny asabotsy teo no nisian’ilay fanendahana, tetsy Anosy, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva. Mba tsy naratra ny tenan’ity teratany vahiny ity. “Ny somary nahatalanjona ahy dia ny tsy namonjen’ny olona ahy, fa dia samy nijerijery an’ilay jiolahy lasa fotsiny ny rehetra”, hoy izy kivy mitantara. Marobe ny toerana tsy dia tsara andehanan’ny vahiny toa itony ary ao anatin’izany Anosy. Na gasy aza efa maro no voaendaka teo, indrindra fa ilay mifanandrify amin’ny fihantsonan’ny bus. Ankoatra izay ihany koa, teo anatin’ny fanararaotan’ireo olon-dratsy tanteraka ny lera nandalovan’ity vahiny ity teo. Maloka be rahateo ny andro ny asabotsy hariva ary nisy erika. Nanamora ny asan’ireo mpanendaka izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser