- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Voasambotra i Kevin mpanao fisolokiana sy taratasy hosoka

Anosy : Voasambotra i Kevin mpanao fisolokiana sy taratasy hosoka

Ny alarobia 6 may no voasambotra ity tovolahy teratany karàna antsoina hoe Kevin. Ny tao amin’ny seksiona 1 tao amin’ny borigady misahana ny heloka bevava no nahasarona azy. Tompon’antoka tamin’ny fanaovana hosoka amin’ny taratasin’ny fiara izay nentina nisolokiana olona ny lehilahy. Tena mahay tokoa ranamana satria irony fiara mihaja sy lafo vidy, toy ny marika Byd izay nahazoany 8.050.000Ar, Mini Cooper nangalany 120 tapitrisaAr ary fiara Toyota RAV4 nahazoany 48 tapitrisaAr. Ireo fiara ireo dia efa eo am-pelatanan’ny polisy misahana izany ankehitriny.

Manera fiara moa no tena asan’ity tovolahy ity ka mitady fiara hamidy izy amin’izany ary rehefa mahita dia mikaroka mpividy, izay efa nataony an-taonany maro. Manjavona miaraka amin’ny vola moa ity tovolahy ity raha vao lafo ny fiara. Ankoatra izay dia taratasy hosoka avokoa no nampiasainy, toy ny fifanarahana ara-barotra ny kara-panondro sy ny déclaration sur l’ honneur omeny ny olona mpividy fiara. Ireo taratasy ireo dia vita “legalization” hosoka avokoa, saingy ny kara-panondro hosoka dia tsy vita certification.

Ny tena olana mantsy dia voafitaka avokoa na ny tompon’ny fiara na ny mpividy, dia very vola avokoa satria nividy tamin’ny alalan’ny taratasy hosoka. Manoloana izany dia manentana ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana mba hameno avy hatrany ny “acte de vente” ary hanao “mutation” ao antin’ny fotoana voalazan’ny lalàna mba hialana amin’ny fanaovana hosoko.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser