Izany tokoa angamba no atao hoe tena fanetriben’ny fiaraha-monina. Raim-pianakaviana iray mpiasan’ny tombin-tsolika no voarohirohy amin’ny fanapoizinana ny mpiara-monina ka nandatsaka zavatra hafahafa tao anaty lava-drano fisotron’ny be sy ny maro. Nitranga izany tao amin’ny fokontany Antaimby, distrikan’i Samabava, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny loharanom-baovaoa dia nisy nahatsikaritra ny fihetsik’ity rangahy ity, izay niditra mangingina sy nihanika tohitra ary nanala ny saron’ilay lava-drano, nandrotsaka zavatra tao anatin’ilay dobo izay isotroan’ny olona rehetra ao amin’io tanàna io rano. Tsy niandry ela anefa ireo izay nahatsikaritra ity fihetsika hafahafa ity fa namory avy hatrany ny mponina ka nampahafantatra ny zava-misy. Teo no ho eo ihany dia tapaka fa haato ny fampiasana io rano io mandra-pahitana ny marina.
Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao ka andrasana ny tohiny.
T.M.