Vola mitentina 32 tapitrisa Ariary no najavona nangalarina ankizilahy telo manodidina ny 14 taona eo avy tamina tokantrano iray, tany Ampahana, distrikan’ Antalaha, ny 28 desambra lasa teo, tokony tamin’ny roa ora tolakandro. Tsy nanampo ny zava-misy ny tompon-trano izay variana nitoto vary teo an-tokotaniny raha nahita an’ireto ankizy telo lahy tao an-trano, satria zanaka an-trano ny iray tamin’ireo jiolahy, ka rehefa najavona ireo volabe vao taitra, ary tany amin’izy telo lahy lasa nitsoaka no niatefan’ny ahiahy avy hatrany. Nametraka fitoriana tao amin’ny kaomisarin’ny Polisy ao Sambava ny very vola, ary nanomboka teo ny fikarohan’ny mpitandro filaminana an’ireto mpangalatra.
Zanaka an-trano ny iray tamin’ireo jiolahy. Rehefa sarona izy ireo dia mbola nahatratrarana vola 14 tapitrisa Ariary sy lavanila mitentim-bidy 10 tapitrisa Ariary novidiana tamin’ny ampaham-bola. Tamin’ny famotorana natao an’ireto mpangalatra no nilazan’izy ireo fa ny vola sisa ambiny 8 tapitrisa Ariary dia efa nividianana finday avolenta, lamaody maro hafa, ary zavatra madinidinika, sy lany tamin’ny revy sy filibana. Afak’omaly moa no natolotra ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ao Antalaha ireto jiolahy voarohirohy ireto. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana nandray an-tanana ny raharaha, dia karohina fatratra amin’izao ilay nividianan’ ireto ankizy tsy ampy taona ireo lavanila, satria zaza ve dia amarotana lavanila an-tapitrisany, hoy ny kaomisera Totozara Theogène.
Eric Manitrisa