Mitohy ny fidinan’ny ministra tompon’andrikitra, Atoa Anthelme Ramparany any amin’ny faritry ny SAVA; izay miompana indrindra amin’ny ady atao amin’ny fanondranana antsokosoko “bois de rose” any ivelany. Omaly alakamisy, nahasarona andramena hatrany amin’ny 1039 indray ireo tompon’andrikitra tao an-tanàn’Antalaha. Ny vaovao nampitainy taty amin’ny gazety no nahafantarana fa hita tao ambadiky ny tranon’izany olona antsoina hoe Joel-be izany ireo hazo sarobidy ireo. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana dia nivoaka tamin’izany ny anaran’ny tompon’ireo hazo ireo ; izay antsoina hoe Sakalava. Tonga moa dia nogiazana ny hazo. Tsy nijanona hatreo anefa ny fanadihadiana hahafantarana ny marina rehetra mikasika hatrany ny fanondranana « bois de rose », fa nitohy. Nivohitra fa misy ny ambaratonga rehetra mahatomobana ity fandefasana hazo sarobidy ity any ivelany. Ankoatra ny fahitana ireo andremena mantsy, tratra ihany koa, tamin’ny fidinan’ny tompon’andrikitra fa tratra koa ny sambokely vy mpamatsy solika ireo sambo mitondra any ivelany ny andramena. Rehefa nozohiana dia mitondra ny anarana hoe Ankoal-B ilay izay. Hita tamin’izany ny barika makadiry 250 litatra miisa hatrany amin’ny 35. Ny vaovao nampitaina taty amin’ny gazety hatrany no nahafantarana fa ana rahalahina mpitsara malaza any an-toerana ity sambo ity. Tany amin’ny toerana antsoina hoe Ankaramilaotra no nahasaronana azy. Ny alarobia, tamin’ny fahatongavan’ny ministra tany an-toerana dia efa nahatratra bolabolan’andramena 1500 ry zareo. Tao anatin’ny roa andro izany dia efa mahery ny 2 500 ny “bois de rose” saika halefa any ivelany tratra.
Manolona izany zavatra rehetra izany dia hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety anio amin’ny 3 ora ny minisitra tompon’andrikitra eny amin’ny toeram-piasany.
r.s.