Dimy lahy nitam-piadiana nanafika tokantrano iray tao amin’ny Fokontany Antanandava II, Kaominina ambanivohitra Ambalabe, Distrikan’ Antalaha, afak’omaly naraina, tokony ho tamin’ny roa ora, ka lasan’ny jiolahy tamin’izany ny lavanila masaka milanja 32 kilao. Ary tovolahy iray zanaky ny tompon-trano no naratra mafy voatsatok’antsy teo amin’ny kibony rehefa nanohitra an’ireo mpandroba. Noho ny fiaraha-miasa matotra nisy teo amin’ny Fokonolona sy Zandary any an-toerana, ora vitsy taorian’ny fanafihana, dia voasambotra niaraka tamin’ny ampahan-davanila avy nangalarina ny jiolahy roa. Rehefa nofotorana mafy ireto roa lahy azo sambo-belona, dia nanondro ny namany, ka voasambotra avokoa ireo dahalon-davanila. Raha ny vaovao voaray, fianakavian’ny voatafika monina eo an-tanàna ihany no ati-doha nikotrika ny fanafihana. Taorian’ny fikarohana dia voasambotra izy, ka tazomina atao fanadihadiana miaraka amin’ireo jiolahy dimy sarona. Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany, dia hatolotra ny Fampanaovana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha androany ireto enin-dahy tra-tehaka. Mbola karohina fatratra kosa hatramin’izao ny olona iray nitondra nitsoaka ny ambin’ireo lavanila, hoy ny Zandarimaria.
Eric Manitrisa