- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAntalaha : Fifamaliana niafara tamin’ny fifamonoana

Antalaha : Fifamaliana niafara tamin’ny fifamonoana

Tranga mahatsiravina indray no niseho tany Antalaha, ny alatsinainy 8 aogositra lasa teo. Fifamaliana  teo amin’ny samy mpiray vodirindrina no nitarika fahafatesan’olona roa sy faharatrana renim-pianakaviana iray. Raha zohina ny zava-nitranga, lehilahy roa no nifamaly noho ny antony tsy voafaritra mazava, tao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Vinanivao, distrikan’Antalaha, ny alatsinainy 8 aogositra manodidina ny tamin’ny enina ora sy sasany hariva. Vokany : naratra mafy ny anankiray tamin’izy ireo ka nampidirina hopitaly haingana.  Tsy tàna anefa ny ainy noho ny rà be loatra very tamin’io lehilahy io. Tetsy andaniny, tsy nanaiky noho izany ny havan’ny maty ka nanao izay nandratrana ihany koa ny renin’ilay nahafaty. Nampidirina hopitaly koa noho izany ity farany. Tsy tapitra teo anefa ny ady teo amin’ny roa tonta, fa mbola nitady izay namono ny havan’ilay nandratra ity renim-pianakaviana ity ihany koa ireo fianakavian’ny ankilany. Lehilahy 40 taona no maty tamin’izany. Hatreto, olona roa no maty ary vehivavy iray no maratra mafy vokatr’ity ady ity. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary any an-toerana ary efa miroso amin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza izy ireo.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici