- Publicité -
vendredi, décembre 19, 2025
AccueilFaits-DiversAntalaha : MD ilay mpampianatra nanapoizina

Antalaha : MD ilay mpampianatra nanapoizina

Niakatra Fitsarana ambaratonga voalohany tao Antalaha afak’omaly, ilay raharaha fanapoizinana tamin’ny sakafo : izay nitranga tany amin’ny ZAP Farahalana, ny 8 Martsa lasa teo. Ny 6 aprily teo no nosamborin’ny Zandary avy ao amin’ny “Poste Avancé” Farahalana ny lehilahy iray mpampianatry ny EPP Antanandronono, izay voarohirohy ho nandatsaka asidra tao anaty zava-pisotro nosotroin’ny mpampianatra namany niara-nisotro taminy nandritra ny fanasana nataon’ireo Fikambanam-behivavy tany an-toerana an’ ireto mpampianatra. Ny ampitson’io (9 martsa) tamin’ny 11ora antoandro, dia nitaraina ho narary ary nandoa sy nivalana sady safotra tsy nahatsiaro tena in-telo ilay mpampianatra voapoizina, izay mitazona kilasy T3, ary niditra hopitaly nandritra ny tapa-bolana.

Fialonana. Rehefa nivoaka ny hopitaly ilay mpampianatra voapoizina, dia nametraka fitoriana tany amin’ny mpitandro filaminana, ary ity mpampianatra ENF mpiara-miasa aminy ity ihany no notazoniny ho nahavanon-doza nanapoizina azy noho ny fialonana. Vokatr’ity raharaha ity, dia mitaraina mafy sady misedra olana lehibe amin’izao nyTalen’ ity sekolim-panjakana ity, satria tsy misy  afa-tsy izy irery sisa no mitazona ny kilasy T1 ka hatramin’ny T5, izay misy mpianatra 116. « Tsy mbola afaka miasa ilay mpampianatra voapoizina. Ny vadiny izay mpampianatra ihany koa tsy afaka miasa, fa mikarakara an-dramose tsy salama » ,hoy  ity mpanabe ity nampita ny vaovao taminay.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici