Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray tany amin’ny RN5A, tao Antalaha, afak’ omaly naraina tokony ho tamin’ny 4 ora sy 40 minitra, ka mpivady avy any Antsirabe Distrikan’i Sambava izay nanao taingin-droa tamina “moto cross” no tra-doza teny an-dalana nodomina fiara iray nitatitra mpiasa, tao Ampahana. Noho ny dona mafy nihatra, dia maty teo no ho eo ilay rangahy nitondra ny moto, tao amin’ny hopitalibe kosa ilay ramatoa naratra mafy nihosindrà no namoy ny ainy omaly, na dia nanao ny fara heriny sy fahaizany aza ireo dokotera nitsabo an’ity renim-pianakaviana ity. Araka ny tati-baovao voaray, dia saika hihazo an’i Maroantsetra ireto mpivady ireto izao tra-doza izao.
Eric Manitrisa