- Publicité -
lundi, septembre 22, 2025
AccueilFaits-DiversAntalaha : Nivadika ho fitsaram-bahoaka ilay fifamaliana namonoana olona

Antalaha : Nivadika ho fitsaram-bahoaka ilay fifamaliana namonoana olona

Mahakasika an’ilay raharaha nampifanolana mpiray monina tao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Vinanivao, distrikan’Antalaha, izay nahafatesana olona roa sy nandratrana olona iray, ny alatsinainy 8 aogositra lasa teo, dia niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka izany. Raha zohina ny zava-niseho, roa lahy no nifamaly noho ny antony tsy fantatra mazava. Noho ny ratra mafy nahazo ny iray anefa dia tsy tàna intsony ny ainy. Tsy nanaiky mora foana noho izany ny fianakavian’ity farany fa nanao izay nandratrana ny renin’ilay lehilahy nahafaty. Nitohy tamin’ny famonoana nahafaty ny havan’ity renim-pianakaviana naratra ity indray anefa ny ankilany. Olona roa araka izany no maty tamin’ny fianakavian’ny ankilany raha olona iray kosa naratra tamin’ny fianakavian’ny andaniny. Rehefa tena nafana ny ady teo amin’ny roa tonta dia nitohy hatrany amin’ny resaka fitsaram-bahoaka ny raharaha. Ny lasibatra tamin’izany dia ny fianakavian’ireo nahafaty. Raha ny vaovao voarainay tamin’ny mpitandro ny filaminana dia efa nitolo-batana tany amin’ny biraon’ny zandary ao amin’ny Kaompania Antalaha ny lehilahy iray voalaza fa atidoha nitarika izany fitsaram-bahoaka izany. Misokatra araka izany ny fanadihadiana ary efa mandeha ihany koa ny famotorana.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici