- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntalaha : Nodoran’ny vahoaka leo delestazy ny biraon’i Jirama

Antalaha : Nodoran’ny vahoaka leo delestazy ny biraon’i Jirama

May tanteraka ny biraon’ny Jirama ao Antalaha omaly hariva rehefa nodoran’ny vahoaka nanao fihetsiketsehana manohitra ny delestazy lavareny efa ho andro maromaro izay any an-toerana. Araka ny loharanom-baovao,nitranga izao fanimban-javatra izao noho ny fisian’ny fokontany sasany izay tsy misy jiro mihitsy efa ho herinandro mahery izao. Nefa misy sasany mahazo ihany na dia mitsitapitapy aza. Manoloana izany dia mandeha ny resaka manakiana ireo mpitantana ny Jirama any an-toerana fa mandray vola amin’ireo fokontany sasany ka lasa manao zara miangatra amin’ny hafa. Noho izany, nanomboka tamin’ny fitakiana ny fialan’ny talen’ny Jirama izao raharaha izao tany amboalohany. Avy eo niova hevitra ireo mponina tsy faly ka nirohotra teo anoloan’ny biraon’ny Jirama omaly tamin’ny 3 ora tolakandro tany ho any. Tamin’izany no nisy nibosesika hiditra handoro ny toerana. Niezaka nanakana ihany ny mpitandro ny filaminana saingy tsy tana izany fa nirehitra ihany ilay birao tamin’ny 5 ora teo ho eo. Rehefa hita fa tsy avotra intsony ilay birao dia ny niaro ny toby famokarana herin’aratra sisa no noezahin’izy ireo natao. Naharitra ora iray sy sasany teo ho eo izany savorovoro izany. Soa ihany anefa, fa tsy nisy naratra na aina nafoy. MArihina fa efa nilaza ny eo anivon’ny Jirama fa efa eny ambony sambo niala avy any Toamasina ny milina vaovao entina hamahana izao olana izao any Antalaha.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici