- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntalaha : Novonoin-dreniny ny zanany vao 10 taona

Antalaha : Novonoin-dreniny ny zanany vao 10 taona

Novonoin’ity reniny tsy nanany hantra ity zanany vavy vao 10 taona monja, tany Anaborano, fokontany Masoala, kaominina Vinanivao, Antalaha ny talata teo. Nosamborin’ny zandary avy hatrany ilay renim-pianakaviana raha vao naha-fantatra ity tranga ity izy ireo. Nandritra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana no nilazany fa noho izy tsy manambady no antony namonoany an-janany. Voalaza fa tsy velony intsony izy io satria mbola manan-janaka roa hafa izy io, ankoatra ity zazavavy vao 10 taona monja ity. Nambaran’ny mpanao fanadihadiana ihany koa fa anisan’ireny ankohonana nahazo fanampiana tamin’ny fanjakana ireny hatrany izy io, saingy manana fitondran-tena tsy mendrika. Nilaza ny zandarimaria fa ny mpiara-belona dia tokony hampandre mialoha azy ireo na hampita vaovao tsy tapaka mba hisorohana ny loza tahaka izao, ary mba ahafahany mandray andraikitra ihany koa. Ny toe-javatra tahaka izao dia mampiseho hatrany fa tsy ny lehilahy ihany no fototry ny herisetra na famonoan-janaka fa ny vehivavy ihany koa dia tena mahavanon-doza. Miseho lany ny karazana herisetra eto amintsika. Potika ny fiaraha-monina, vokatry ny fahantrana manaonao foana ny olona. Manao izay ho afany amin’ny fanentanana sy ny fampahafantana ny lalàna ny fanjakana, na ny lalàna momba ny herisetra mahazo ny olona mitovy zo na ny ankizy ny fanjakana. Raha ity tranga ity anefa dia ilay reny tokony hiaro ny zanany amin’ny herisetra indray no manao herisetra. Mitovy daholo ny fampiaharana ny lalàna ho an’ny rehetra.

Yv sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici