- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntalaha : Raim-pianakaviana 50 taona voarohirohy nanao firaisana intelo tamin’ny omby

Antalaha : Raim-pianakaviana 50 taona voarohirohy nanao firaisana intelo tamin’ny omby

Taorian’ny famotorana sy fitazonan’ny mpitandro filaminana vonjimaika an’ilay rangahy iray 50 taona voarohirohy ho nanambady omby, dia natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Antalaha omaly ity raim-pianakaviana manambady aman-janaka nisy nitory ity. Araka ny tati-baovao voaray, dia voalaza fa isaky ny mamo ity lehilahy lehibe efa manan-jafy ity, dia manao firaisana ara-nofo amin’ny omby foana, ary efa tra-tehaka intelo. Leom-boanana sy tofoka amin’ny fomba ratsy mamohetra ataon’Ingahibe ny olona teo an-tanàna, ka nitory azy. Ny anton’ny fitoriana dia hoe : « acte impudique ou contre nature ». Rehefa nohenoina moa ilay voatory (misôma ratsy amin’ny omby midekadeka ), dia nitsipaka ny fiampangana azy. Na ny Polisy nandray an-tanana ny raharaha aza sandaikatra « tafitokiky », satria mahalana/vitsy ny trangam-pitoriana tahaka izao, hoy ny loharanom-baovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici