- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntalaha : Roalahy nodoroina velona !

Antalaha : Roalahy nodoroina velona !

Raha tonga namangy tanindrazana ny olona iray nila ravinahitra na teto an-toerana na tany dilam-bato dia samy diboka hafaliana na ilay olona nila ravinahitra na ny fianakavian’ilay nila ravinahitra. Maro ny mamorona fetim-pianakaviana ao an-tanàna niaviana. Nisy toa io tao amin’ny fokontany Vohitsoa, kaominina ambanivohitra Ambinanifaho – Distrikan’ Antalaha ny alin’ny alatsinain’ny paska teo. Nisy olona iray avy ao Vohitsoa nila ravinahitra tany ivelany ka namangy tanindrazana. Namono omby matavy iray io fianakaviana io ary niantso ny havana aman-tsakaizany manodidina mba hiara- hifaly amin’izy ireo. Nanao alim-pandihizana disco tao Vohitsoa koa izy ireo mba hamalifaliana ny tanora. Nasain’ny fianakaviana ny havana aman-tsakaizan’izy mianakavy, ka samy tonga tao Vohitsoa avokoa, indrindra fa ireo avy amin’ny fokontany manodidina, toa ny tao amin’ny fokontany sady renivohitry ny kaominina ambanivohitra Ambinanifaho sy avy amin’ny fokontany Ambodilalona, mbola ao anatin’ny kaominina Ambinanifaho. Nisy aza ny avy amin’ny fokontany sady renivohitry ny kaominina ambanivohitra Lanjarivo. Na ny tsy havana aman-tsakaizan’ny fianakaviana aza dia mbola misy ny tonga manatona fetim-pianakaviana toa ity. Tanora, na olon-dehibe maro no mialavoly amin’ireny andro malaza na lanonana misy alim-pandihizana na vono omby ireny.

Sahy nijoro. Nisy olona avy any Ambinanifaho anefa saika hanolana vehivavy tao Vohitsoa ka hita sy nosakantsakanan’ny lehilahy iray, 40 taona eo ho eo, avy ao Ambodilalona. Nahatezika an’ireo saika hanolana mihitsy ny fanakanana azy ireo hanao asa ratsy sy ny fahasahian’ilay olona avy ao Ambinanifaho nijoro sy nandray andraikitra nanakana ny hevi-dratsin’ireo olona avy any Ambinanifaho.Tamin’ny 2ora maraina tany ho any, tsy naharitra tao amin’ny lanonana mandramaraina ilay rangahy avy any Ambinanifaho sahy nijoro nanakana ny asa ratsy dia nitodi-doha nody tany aminy, any Ambinanifaho. Narahin’ireo saika hanolana io rangahy io noho ny tahotra ny hitohizan’ny rahaha nataon’izy ireo. Nony efa tonga am-paran-tanàna anefa vao tratran’ny mpanao ratsy ilay rangahy namonjy, dia nodarofan’ireny olon-dratsy ireny hazo ,ny hatok’ilay lehilahy ka lavo tamin’ny tany ary heno sy nanaitra ny vehivavy iray ao Ambodilalona. Nosokafan’ity ramatoa ity ny varavarany ka notsiloviny tamin’ny “lampe de poche” ary nahita olona fantany lavo teo ambonin’ilay rangahy noveleziny sy lavo ilay ramatoa sady niteny mafy hoe : “Inona ity nataonareo fa fantatro anareo ireny”. Tsy maty teo no ho eo ilay lehilahy novelezina fa torana ary mbola nentina teny amin’ny hopitaly tao Ambinanifaho. Ny dokotera nitsapa ilay rangahy no nanambara ny fianakavian’ilay rangahy fa “ voavely teo amin’ny hatony ity rangahy ity ary nisy tapaka ny hozany eo an-katony”. Mbola nokarakarain’ny dokotera nitsabo azy nefa tsy ela dia maty ilay rangahy. Ilay ramatoa no nanambara tamin’ny fianakavian’ny voavely ny mombamomba an’ilay olona namely ilay rangahy izay lavo tamin’ny tany tsy lavitra akory ny tranony.

Notondrahina pétrole. Tsy ela loatra taorian’ny nanaovana “pansement” ny naratra tamin’ilay rangahy anefa dia maty izy. Noho io fahafatesana io no antony nandehanan’ny fianakaviana nikaroka ka nahatratran’izy ireo ny namely. Avy any Ambinanifaho ireo namely ireo. Nalain’ireo fianakaviana ny roa lahy nahiahiana ho namely sy nahafaty an’ilay rangahy ka notadiavina ny tànana sy tongotr’izy ireo ary nasesin’izy ireo nankany Ambodilalona nisy ny lasan-ko razana. Nony tonga tao Ambodilalona izy ireo dia naseho azy ireo ilay maty ary nentin’izy ireo nikisaka niala teo amin’ny trano niamparan’ny razana izy roa. Nampidinin’ny fianakavian’ny maty tao amin’ny toerana iray misy lavaka ary tsy natao mifanakaiky izy roa. Namafisin’izy ireo ny tady namatorana ny tongotra aman-tanan’izy roa lahy ary naka valiha maina izay napetraka nanentsina ny vatan-tenan’izy roalahy. Alohan’ny nanidinana ny petrole anefa ny anakiray dia nilaza fa tsy namono ny havan’izy ireo izy fa notondroiny ho nahavita ny asa ratsy namoizana ny ain’ny havan’izy ireo ilay anakiray. Nangataka fotoana kely hivavahana koa izy alohan’ny hamonoana azy ireo. Mbola nasainy haka ny vola tao am-paosiny ireo fianakavian’ny maty izay nanda haka izany vola izany fa “ avelao ho may sy maty miaraka aminao izany volanao izany”. Nampidinina taminn-dreo ny petrole maro ary narehitra ny afo. Maty kilan’ny afo aloha ny anankiiray tsy niteniteny fa ilay anankiray be resaka tamin’ny fianakaviana no maty taoriana ary mbola afa-niteny hoe:” Tsy izahay roalahy irery no namely ny havanareo fa mbola nisy olona iray hafa fahatelon’izy roalahy(notononiny ny anarany ), fa nahoana izy no tsy mba nalainareo”? Araka ny fantatra dia lasa nandositra ity iray fahatelo ity rahefa vitan’izy ireo ny asa ratsy ka tsy tratran’ny tompon-kavana.

Rémi Rakotonirina

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser