Lehilahy iray nitondra rongony milanja dimy kilao sy sasany (5,5kg) no tra-tehaky ny Polisy teo amin’ny « barrage de sécurité » Ambignany Antalaha, ny 05 jiona lasa teo.
Nandritra ny fisavana nataon’ny Polisy tamin’ny fiara taxi-brousse iray teo amin’io toerana fisavana io no nahitan’izy ireo entana nampiahiahy. Rehefa nozahana ny tao anatin’ilay entana dia hita fa rongony efa vita fehezana maromaro ary vonona hamidy avy hatrany no tao. Notazomina avy hatrany ny tompon’ilay entana ka nentina natao famotorana tany amin’ny birao. Nampidirina am-ponja avy hatrany moa ity lehilahy ity rehefa natolotra ny Fitsarana.
T.M.